ny fahalemen’ny teny gasy…

août 17th, 2008 by finoanaranoray

olon-droa miresaka

– Vitsy dia vitsy ny boky voasoratra amin’ny teny gasy, tsy dia boki-na tononkalo na tantara no tiana lazaina fa ilay boky fianarana ahazoana fameloman-tena…angamba noho ny maha vitsy ny voambolana “scientifique” (siantifika?) amin’ny teny gasy… mitadiava boky “math sup ” amin’ny teny gasy, raha mahita dia mba vakio raha misy azonao izay lazainy, nefa ny “math sup” dia fototra amin’ny fanaovana fikarohana sy famahana ny olana vaovao mitranga (aretina vaovao amin’ny fambolena, …)

Mijere aterineto dia izay mahasoa hampitombo ny fivelomana no tadiavo ( asa be karama kokoa, “bourse d’études”, “business”,…)… tsy dia misy teny gasy firy…(blaogy be soratra no betsaka)

Mandehana any an-dafy dia isao ny mpiteny gasy dia ataovy ny antontan’isa, firy isan-jato?

asa raha mbola misy fahalemena ankaotr’ireo…fa raha fintinina izany dia tsy mahavita velon-tena ilay teny gasy e! …

– mankanesa ary any Ambatolampy, dia isao ny trano be – isao hoe manana ”taxi brousse” firy ny tokantrano iray, dia isao ny mahay miteny vazaha? ianao miseho hianatra teny vahiny be eo nefa na trano iray aza tsy voatsangana… lol…sa amin’izay ianao lasa mpiasam-bazaha…

-sao dia ilay fianarana fototra taloha no tsy ao…tsy nahavitana velontena?…lasa resaka fianarana indray ity marina fa tsy teny gasy…ouuuh

– jereo ny karana, dia isao hoe firy no nahazo “licence” na “maîtrise”…dia isao hoe hoe firy no tsy manana 4×4 sy trano be…lol

-Ry zalahy anie mahay fiteny be dia be e! teny gasy teny vazaha, ary rehefa “secret” ataon’ny teny karana…hitanao izany mety ny fahaizan’ny teny vazaha no mampandeha ny velontenany…ahoana ary no nahaizany an’ireny, nianatra tany amin’ny CCA ve?…sa efa hatramin’ny mbola kely?

-”andrianiko rangahy ny teniko ary ny hafa koa feheziko”…aza vonoina ny maha malagasy e!

– Ny mita be rangahy tsy lanin’ny mamba a, ary tsy ny ranomasina no valamparihako, izay be mpiteny sy mpanoratra erantany no ampianariko ny zanako a…ampy azy ny teny gasy ao an-trano…

-sssh, toa ovain-drangahy indray ny resaka…